Ho famaranana ny taom-piofanana an-kabary 2017-2018, dia fifaliana lehibe ho anay Andiany voalohany “Tsimoka” eto amin´ny Rantsana FI.MPI.MA. Alemaina (Fikambanan´ny Mpikabary Malagasy eto Alemaina) ny manasa anareo hiara-mifanotrona aminay ny :

Sabotsy 12 May 2018

Toerana : Helene Meyer Ring 23, 80809 München

Marodona ny dihy arahin´amponga, maredona ny hira arahim-baliha fa mihaja sy ho feno haravoana izahay hotroninareo amin´io fotoan-dehibe tsy manam-paharoa aminay io.

Lanonana eo ambany fiahian‘ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina.

Manomboka amin’ny 11 ora maraina :

  • Fizarana mari-pahaizanaho an’ny andiany voalohany“Tsimoka“
  • Fandraisana ho mpikambana tsotra ireo mpiofana vao navoaka ho mpikabary
  • Fanasaloran-damba ny Filohan-tsampanaMPI.MA. Alemaina ;
  • Fitokanana ny SampanaMPI.MA. Alemaina

Manomboka amin’ny 1 ora tolakandro :

  • Fiaraha-misakafo sy korana (tsy andoavam-bola akory, fa raisina an-tanan-droa ny mety ho fandraisana anjaran’ny tsirairay) ;
  • kalokalo sy fiantsana tononkalo ary kabary malagasy.

Mifanarana amin’ny 5 ora tolakandro ny lanonana

Irinay ny hahazo ny isan´olona afaka hamaly izao fanasanay izao alohan’ny Talata 10 Aprily 2018 mba hahamora ny fandaminana.

Dia maniry sy manantena ny fahatongavanareo hiaraka-hikorana aminay.

Amin’ny anaran’ny Rantsana FI.MPI.MA. Alemaina

 

Ny Tonia :Fidiharinivo RASOANAIVO

Adiresy mailaka hanomezana ny valiny : madecademy@gmail.com

Fanazavana fanampiny : 00 33 6 72 01 84 10 (mobile / France), 00 49 157 56 31 11 17 (mobil / Allemagne) — 00 49 845 83 21 89 87 (fix / Allemagne)