Contact: +49 152 373 023 14  –  Consular registration of Malagasy nationals is now online here
Contact: +49 152 373 023 14  –  Consular registration of Malagasy nationals is now online here
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Masoivoho malagasy eto Falkense dia miarahaba antsika malagasy rehetra am-pielezana eo amin’ny fari-piadidiany nahatratra izao faha 63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izao.
Izahay ihany koa dia misaotra, mankasitraka ary mankatelina ireo rehetra izay tonga namaly ny fanasana izay nataonay ka tonga vory lanona taty Falkense tamin’ny Asabotsy faha 24 Jona lasa teo, izay fotoana natokan-tsika mianakavy nankalazana ny fetim-pirenentsika.
Mirary soa antsika rehetra hatrany izahay hahita soa sy fahombiazana aty an-tany lavitra aty.
Malagasy miray hina, Malagasy tia mandroso.
Mandra-pihaona indray tompokolahy sy tompokovavy.