Contact: +49 152 373 023 14  –  Consular registration of Malagasy nationals is now online here
Contact: +49 152 373 023 14  –  Consular registration of Malagasy nationals is now online here

Ramatoa Mpiandraikidraharaha mpisolo toerana eto amin’ny Masoivoho malagasy eto Alemaina dia faly miarahaba antsika Andriambavilanitra rehetra manerana ny Fari-piadidiana amin’izao Andro iraisampirenena natokana ho an’ny Vehivavy izao.
Mba samy hahefa be amin’ny adidy isan-karazany atrehina isika, na ao an-tokantrano, na eo amin’ny sehatry ny asa, na eo anivon’ny Fiaraha-monina sy ny Firenena.
Hanandratra avo ny Fanevan’i Madagasikara ihany koa ho an’izay misehatra aty ivelany.

Mirary ny soa sy ny tsara rehetra hatrany.

Florence Isabelle Rafaramalala