Ho fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpila ravin’ahitra any ivelany (mpiasa manana andraikitra ambony, mpiasa tsotra, mpiasa an-trano, tanora tovovavy mpanampy), sy ireo mpiasa mpifindra monina mikasa handao ny tanin’ny Malagasy,
Ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny dia mampahafantatra ny besinimaro ny tsy maintsy hanarahana ireto dingana manaraka ireto:
– Maka ny fahazoan-dalana (visa) nosoniavin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any amin’ny tany haleha mialoha ny hanatanterahana ny fifanarahana arak’asa ;
– Mandalo any amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy ;
– Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa any amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sôsialy ahazoana ny fankatoavana izany ;
– Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa sy ny tapakilan’ny fiaramanidina any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ;
– Manatanteraka mialoha ny fisoratana anarana kaonsilary any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ;
Ampahatsiahivina etoana fa tsy maintsy vita 15 andro mialohan’ny hiaingana ireo dingana rehetra voalaza ireo. Noraisina izany fepetra izany mba hiarovana azy ireo amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko miantraika amin’ny filaminan’ny Firenena.
COMMUNIQUE
Le Ministère des Affaires étrangères informe le public, que dans le cadre de la gestion de la sortie du territoire des travailleurs migrants (employés cadre, ouvrier, employé domestique, jeune fille au pair …), tout travailleur migrant qui prévoit de quitter le territoire malagasy doit se conformer aux procédures ci-après :
– obtenir un visa au préalable du contrat de travail signé par les deux parties à l’Ambassade de Madagascar dans le pays de destination;
– passer au Ministère de la Sécurité Publique pour une enquête de moralité et examen de situation :
– viser le contrat de travail auprès du Ministère du Travail, de la Fonction Publique et des Lois Sociales;
– viser le contrat de travail et le billet d’avion auprès de la Direction de la Diaspora du Ministère des Affaires étrangères;
– procéder à la préinscription consulaire, à titre gracieux, auprès de la Direction de la Diaspora (Ministère des Affaires étrangères, Anosy porte 117 et 132).
II est à rappeler que ces étapes doivent être faites 15 jours avant le départ. Ces mesures ont été prises afin de les protéger des traites de personnes transnationales.