Ny Masoivoho dia manambara fa nohon’ny antony izay efa fantatsika rehetra, dia tsy afaka natao ny RNS any Frantsa, fihaonam-ben’ny Malagasy, izay nandraisantsika avy eto Alemaina anjara mavitrika tamin’ny taona 2019 ihany koa.
Ka ho solon’izany, sady ao anatin’ny fankalazàna ny faha-45 taonan’io Fikambanana fikarakaràna fihaonambe io, dia hisy ny sehatra ifampitafàna “MALAGASY MIFANKAHERY”, izay handraisan’ny Masoivoho eto Alemaina anjara ihany koa (fandraisam-pitenenana hataon-dRamatoa Mpiandraikidraharaha Mpisolo toerana), anasàna antsika mianakavy, handray anjara, na hanaraka, ny asabotsy 11 aprily amin’ny 1 ora tolakandro, araka ireto rohy ireto :
Liens Facebook :
https://www.facebook.com/rns.cen/videos/210003756965273/
Liens Zoom :
https://zoom.us/j/859182231?fbclid=IwAR1Zt_5XUHO2CSE0HHB_wnypsVFc2WjG-ntJ-j5A80CC-W16-GenqacTQ2U
Eto am-pamaranana dia mampita sahady ny fiarahabàna avy amin’ny Masoivoho :
« Ramatoa Mpiandraikidraharaha mpisolo toerana sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Masoivoho Malagasy eto Alemaina dia mirary ho antsika tsirairay avy, ny fianakaviana sy ny namana rehetra Paka 2020 ombàm-pitahiana.
Ao anatin’ny fitsapàna sy ny fiaretana ny vokatry ny aretimifindra Covid-19 ankehitriny, ny herin’ny Fitsanganan’i Jeso Kristy ho velona anie hitahiry antsika ao amin’ny fanantenàna sy hanome antsika hery hifanome tànana hatrany ».
Mirary soa.