Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Ilazàna isika Malagasy eto amin’ny Faritra iadidian’ny Masoivoho (Alemaina, Aotrisy, Danemark, Finlande, Islande, Norvezy sy Soeda) fa ho avy hanao fitsidihana sy fifanakalozana amin’ny Antenimiera Federaly eto Berlin ny Delegasiona avy amin’ny Antenimieram-pirenena Malagasy, tarihin-dRamatoa Filohany Christine Razanamahasoa. Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fondation Friedrich Ebert izany.

Hisy araka izany fihaonana fohy amin’ireo Malagasy, izay tratra antso ny talata 10 septambra amin’ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva. Izany dia hatao ao amin’ny FES Hiroshimastrasse 17 – Berlin 10785.

Satria moa fohy ny fotoana, izy mpitsidika rahateo hanana teny ho lazaina dia ho voafetra ny fandraisam-pitenenana sy ny fotoana hitenenana.
Noho izany dia asaina hisoratra anarana mialoha izay handray fitenenana : info@botschaft-madagaskar.de

Ny ilaina : Anarana sy fanampiny, lahy na vavy, taona, asa atao, fonenana.
Afaka alefa mialoha koa ny fanontaniana ho an’izay maniry hanao izany, miaraka amin’ny fanoratana anarana. Ho an’izay maniry hanatrika moa nefa tsy afaka, dia afaka alefa ny fanontaniana, dia hampitain’ny Masoivoho amin-dRamatoa Filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

Azo omanina mialoha koa izay fanamarihana tiantsika hatao, amin’izay azo ampitaina fotsiny raha tsy ampy ny fotoana.
Manantena ny fahatongavan-tsika ary mirary soa.

Ramatoa Mpiandraiki-draharaha