Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Nohon’ny vaninandro lehibe fahatsiarovana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’I Madagasikara tsy azo avela handalo fotsiny, dia tsy hay ny tsy hisaotra an’Andriamanitra sy hitondra am-bavaka ny Firenena, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra diavin’ny rehetra izao, na dia eo ary ny tsy tena fahafahana manao Fety fankalazàna sahaza izany, sy ny tsy fahafahana mifampikasokasoka.

Hisy araka izany Fotoam-pivavahana izay hanasàna amim-pitiavana antsika rehetra, izay hatao ny 26 jona 2020 amin’ny 4 ora hariva ao amin’ny St. Clemens Kirche, Stresemannstraße 66, 10963 Berlin.

Voafetra ho 60 isa farafahabetsany moa ny mpandray anjara ka iangaviana isika hisoratra anarana mialoha.

Izany dia alefa amin’ny info@botschaft-madagaskar.de, Antony (Betreff) : Gottesdienst 26. Juni 2020. Marihina fa mailaka fisoratana anarana iray ho an’olona iray. Alefa ny anarana feno, adiresy, laharana ahazoana anao. Hahazo mailaka fanamafisana ireo voaray handray anjara. Rehefa feno ny isa dia mikatona izany. Isaorana antsika ary ialàna tsiny mialoha nohon’ny antony fepetra fiarovana ara-pahasalamana araka ny efa fantatsika rahateo, dia ny fanalàna mikraoba amin’ny tànana, ny fanajàna elanelana sy ny fanaovana aro vava sy orona.

Hisy fitatazan-drakitra izay foy isaorana ny Fiangonana.

Ny fiombonam-bavaka azo atao hatrany.

Manantitra ny fisaorana antsika mialoha ary mirary soa ho antsika rehetra.

Ramatoa Mpiandraikidraharaha mpisolo toerana.