Fotoana: Asabotsy 29 Jona 2019
Toerana: Hohenzollerndamm 130a, 14199 Berlin
(Fidirana: Forckenbeckstraße)
Evangelische Kreuzkirche – Gemeindesaal

Toy izao ny fandaharam-potoana izay hiarahan-tsika rehetra manatontosa:

  2 Ora: Fiarahana mitafatafa:  “Grillparty” sy kilalao samy hafa

  5 Ora: Fiaraha-midinika an’ireto teboka manaraka ireto:

  • Fanintarana ny Fikambanana MSD ho an’ny rehetra eto Alemaina
  • Fananganana komity hiandraikitra ny Fahatsiarovana ny 29 Mars 1947
  • Fananganana komity hikarakara ny fety Faha-60 taonan’ny Fahaleovan-tena.

7 Ora 30: Fanombohan’ny lanonana

  • Hiram-pirenana
  • Teny fiarahabana avy amin’ny Filohan’ny MSD e.V.
  • Teny fiarahabana avy amin’ny Masoivohon’ny Madagasikara eto Alemaina

8 Ora 30: Fiaraha-misakafo izay arahin’ny rindran-kira.

10 Ora: Alim-pandihizana mandra-maraina

  • Fandraisana anjara: Sakafo sy zava-pitsotro samy mitondra ny tsirairay ary hatambatra hiaraha-mihinana.
  • Rakitra no tatazana handoavana ny lany rehetra

Dia manantena indrindra ny fahatongavan-tsika rehetra ary ilazao ny tapaka sy namana.

Kontakt:
Andriamarozara Andriamilaitso: 0177 38 11 268
Mail: marozara@hotmail.com
Mail: birao@msd-ev.de